Tsy fandriampahalemana : raikitra ny « Opération Lamina » ao Toamasina

Hanatanteraka hetsika manokana « Opération Lamina » ny eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Atsinanana eo ambany fiadidian’ny Kly Ranaivoarisoa Théodule amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy faran’ny taona 2023 izao.

Eo koa ny paikady entina handaminana ny fandriampahalemana sy ho fiatrehana ny aorian’ny fifidianana filoham-pirenena toy izao. Nomena ny anarana « Opération Lamina » ity hetsika ity izay tsy hifarana raha tsy ny 5 janoary 2023 ho avy izao. Hisy, araka izany, ny fidinana ifotony eny anivon’ny fokontany hametrahana lamina miaraka amin’ny andrimasom-pokonolona sy ireo tsara sitrapo rehetra. Nohamafisin’ity ma­namboninahitra ity hatrany fa tsy hanao savahao akory fa azo antoka fa ny andrimasom-pokonolona dia mahafantatra tsara ireny toerana fiafenan’ny jiolahy sy mpifoka rongony ary mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika ireny. « Tanjona ny hanaovan’ny va­hoaka fety anatin’ny filaminana sy mandry fahalemana. Tsy eny anivon’ny fokontany ihany no arahi-maso fa ireo toerana saro-pady rehetra. Hampiana­tra ny mpampiasa lalana rehetra koa ny zandary, indrindra fa ireo mpamily fiara », hoy hatrany izy.
Fa naseho mpanao gazety koa ireo fanamiana polisy sy zandary frantsay nisy nangalatra tamin’ny alalan’ny famakiana kaontenera. Nambaran’ity manamboninahitra ity fa orinasa afakaba eto amintsika no manjaitra ny fanamiana zandary sy polisy frantsay. Rehefa vita ny asa dia entina haondrana amin’ny sambo ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izany. Nisy namaky anefa ny fiarabe avy aty Antananarivo nitondra kaontenera nisy ireo akanjo ireo teo anelanelan’i Savalaina sy Brickaville. Hatramin’izao aloha tsy fantatra izay tompon’antoka tamin’ity famakiana kaontenera ity.

Sajo/J.C

Partager sur: