Mois : novembre 2023

SOMBIM-BAOVAO

Ampivoarina ny fahaizan’ny teknisianina any amin’ny ligin’i Vakinankaratra, taranja baolina kitra. Ho­tanterahina ny 15 novambra ho avy izao, ao amin’ ny Stade Velodrome, Antsirabe, ny fiofanana « Stage d’Appui », ho an’ireo mpanazatra manana ny mari-pahaizana « Licence D » sy « Licence C » an’ny CAF, ao amin’ity ligim-paritra ity. Hotanterahina ny 19 novambra ho avy […]

BAREA : nanomboka omaly ny fanazaran-tena

Afaka roa andro, hanomboka ny fifanintsanana ny hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny « Mondial Etats Unis 2026 », taranja baolina kitra, aty Afrika. Efa nanomboka nanao ny fanazaran-tenany tany Accra Ghana ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hifanandrina voalohany amin’izy ireo mandritra ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionalin’i Ghana, Black Star, […]

Tsipy kanetibe – PPF 2024: hiatrika ny famaranana lehibe i Lahatra sy Ra-Chre

Na mbola ao anatin’ny sazy aza ny federasiona sport-boule malagasy (FSBM), misy mpilalao mitondra ny lazan’i Madagasikara any Frantsa. Fantatra mantsy fa hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny PPF 2024 i Lahatra sy Ra-Chre. Taorian’ny fahavitan’ny taom-pilalaovana 2023, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika ny famaranana lehibe amin’ny taranja tsipy kanetibe “Passion Pétanque Française 2024” (PPF), ny […]

INDRAY MIJERY

Ny sabotsy 25 novambra izao no fotoam-panokafana ny taom-pikatrohana vaovao ho an’ny Antily, diosezin’Antananarivo, tanterahina eny amin’ny Ekar Anosizato. Amin’io no hametrahana ny ekipa fanampiny diosezy, fanolorana tapaporohana sy ny fanomezana laharam-pivondronana. Manohy amin’ny fanentanana ny zatovovavy sy ny tanora momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ary ny fisorohana ny […]

Dokotera Razafindraibe Kanto: Saro-pady ka mila olona matihanina ny fitarafana

Nitondra fanazavana ma­ha­kasika ny sampandraharahan’ny fitarafana na “imagerie médicale” ao amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana ny dokotera Razafindraibe Kanto, radiologue sady lehi­ben’ny sampandraharaha. Miompana amin’ny fitiliana ny karana sy ny vanintaolana, avokavoka, nono ary ny anaty kibo no atao ao amin’ny sampandraharaha fitarafana. Ireo olona manana olana amin’ireo taova ireo […]