Mois : novembre 2023

HEA-ENAM : miray hina ireo andiany 5 nifanesy

Nanatanteraka fihaonana teny Ambohimanambola ireo mpiofana nivoaka tao amin’ny HEA ENAM izay manam-pahaizana amin’ny sehatry ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny volana oktobra teo. An-jatony izy ireo no efa nivoaka tamin’io sampam-piofanana ho mpiasam-panjakana sy mpitantana ambony eto amin’ ny firenena io. Andiany dimy miantaona no efa nivoaka tamin’ ireto “expert” ireto. Vonona […]

Mesupres : laharam-pahamehana ny hamerenana ny fampianarana

Mbola maro ny sampam-pianarana tsy nahavita ny taom-pianarana 2022-2023 eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Ny hamerina ny fampianarana sy hamarana ny taom-pianarana no laharam-pahamehana izao, hoy ny Mesupres. Nampiantso fivoriana ma­i­ka niarahana tamin’ny filohan’ny oniversite, ny Pr Ravelomanana Mamy Raoul, sy ireo sojabe ary ireo lehiben’ny sampam-pianarana rehetra ny minisitry ny Fampianarana […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny atrikasa ho an’ny « accordéon » sy ny « hip hop ». Karakarain’ny Akademian’ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) izy ity, izay hotontosaina ao amin’ny efitrano ambadiky ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny sabotsy 18 novambra ho avy izao. Hizara ny traikefany amin’izany Rakotomandimby Jean Modeste, raha toa ka hitarika ireo liana amin’ny “hip […]

Aingam-panahy sy famoronana : misy talenta mifoha isaky ny vanim-potoana

« Ny zava-misy no fandrisika voajanahary ho an’ny aingam-panahy », hoy i Zo Mami­nirina, poeta sady mpanoratra. Isaky ny mandia vanim-potoana iray ny talenta, misy mipoitra hatrany. Rehefa mety ho asa famoronana, ahitana azy io avokoa. Lehibe indrindra amin’izany ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mafampa­na, ohatra, ny tontolo politika. Misy poeta na […]

Orinasa Manoova : mitohy ny famoahana vokatra vaovao

Notanterahina, omaly, teny Ankorondrano, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny « Cart’in », vokatra vaovaon’ny orinasa Manoova. « Efa miaina tanteraka miaraka amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ankehitriny. Izany indrindra no hanaovana famokarana isan-karazany, ho fampidirana ny Malagasy ao anatin’izany zava-misy iainan’izao tontolo izao izany », hoy Rajaonarivelo Rado, talen’ny Manoova. Nitombo […]