Mpilalao anisan’ny manohy fianarana sy ny basikety any ivelany, Rabibisoa Jerry Pépin, Andriatsarafara Lovasoa ary i Mathias M’Madi. Nahazoana vaovao tsara izy ireo ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana natrehiny avy. Ho an’i Jerry, izay milalao ao amin’ny Espoirs Gravelines-Dunkerque ao Frantsa, mpilalao nitondra fandresena ho an’ny ekipany izy, […]
Mois : novembre 2023
SOMBIM-BAOVAO
Laharana fahefatra Andriambololona Zo Hajanirina, solontena malagasy niatrika ny fifaninanana « Open d’Afrique », taranja judo, tany Dakar, ny alahady 12 novambra teo. Tsy niakatra « podium » izy saingy nahazo traikefa lehibe nandritra ity fifaninanana ity, araka ny nambarany. Hanatanteraka fihaonambe ny mpisehatra sy mpankafy ny taranja volley, ny zoma 8 desambra izao. […]
Badminton – Mada 2023 : hizara roa ny fifaninanam-pirenena
Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny olana eo amin’ny fahazoana ny kianja mitafo, hozaraina roa ny fanatontosana ny fifaninanam-pirenena, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny badminton. Hisantatra izany, ny an’ireo sokajy zandriny dia ny “junior” midina. Hotontosaina ny volana novambra izany. Any amin’ny volana desambra indray […]
Federasiona malagasin’ny bisikileta : hikarakara « Tournoi de l’Océan Indien »
Mifarana izay ny taom-pilalaovana 2023, ho an’ny taranja Bisikileta. Marihina fa nahazo medaly alimo iray izy ireo nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Hisy fifaninanana iraisam-pirenena hatao ny taona 2024. Vita ny lalaon’ny Nosy 2023, nahazoan’i Madagasikara medaly alimo, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra lasa teo. […]
TARATRY ny KANTO
«Festival Sar’nao». Amperiny tanteraka ny « Festival Sar’nao » andiany faha-14 ankehitriny. Ankoatra ny fampirantiana, misy ihany koa ny atrikasa momba ny varotra ana habaka, atao anio, eny amin’ny Aft Andavamamba. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa miara-miaina amin’ny haitao ara-kajy mirindra isika ka ilaina ny mahafehy izany. « Diary Nofy ». Tanterahina rahampitso, eny […]




