Nandao ny tontolon’ny fanatanjahantena Rakotonandrasana Dominique (Gaoly Be). Niala ny kianja ka lasa niala sasatra any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy ny baolina kitra ihany ny hany nampalaza azy, fony fahavelony fa teo koa ny volley-ball sy ny basket-ball, nampamiratra sy nampalaza azy, fony izy mbola niakatra kianja. Noho izany indrindra […]
Mois : novembre 2023
Barea de Madagascar: hatao avo roa heny ny tambinkaraman’ireo mpilalao
Homena fankasitrahana tsara lavitra noho izay efa nisy hatramin’izay, ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, raha mandresy amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Fanambarana nataon’ny filohan’ny Federasiona malagasy, izany. Nihazo an’i Ghana, omaly alahady ny Barea de Madagascar hiatrika ny lalao voalohany eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, […]
Sombim-baovao
Hotanterahina manomboka rahampitso, any Diego ny fitiliana ireo Malagasy tanora mpilalao baolina kitra. Hetsika izay hiarahan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora ity hatao ity. I Wissem Maaref, mpanampy ny mpanazatra ny Barea no hanao ny fitiliana eny an-toerana. Nodimandry teo amin’ny faha-28 taonany […]
Basikety-Game on 3×3 : tompondaka teo amin’ny “Tir” i Olivio
Nizotra araka ny tokony ho izy, tany Toamasina, nanoloana ny Lapan’ny tanàna, ny fifaninanana basikety “Game on 3×3”, nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Ankoatra ny fifaninana, nisy ihany koa ny “Concours Tir” ka i Olivio, mpilalaon’ny Ascut no nandrombaka izany. Raha ny voka-dalao kosa, tompondaka teo amin’ny sokajy Senior, lehilahy, ny […]
Kitra eny anivon’ny fokontany: 18 taona ny FC Copain, efa namoaka mpilalao any ivelany
Anisan’ny klioba eny anivon’ny fokontany, manabe amin’ny alalan’ny baolina kitra, ireo ankizy tsy mba manana fahefana miditra amin’ireny sekolin’ny kitra ireny ny FC Copain. Gazety Taratra (*) : Ivontoeram-piofanana ve ny FC Copain sa klioba ? Rakotondramiara Hasina (-) : Tsy ivontoeram-piofanana fa klioba fitaizana ankizy eny anivon’ny fokontany Alarobia Amboniloha. Tsy sekolin’ny […]




