Tsy anisan’ireo hiaro ny voninahi-pirenena amin’ireo lalao roa tafiditra amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026” i Nina. Soloin’i Allan ny toerany. Afaka fito andro, hanomboka ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly tao anaty tambajotran-tserasera. Tsy afaka […]
Mois : novembre 2023
Kolontsaina sy famoronana : mitondra anjara biriky goavana, manabe olona ny sary hosodoko
Manabe sy mitaiza toe-po sy toe-panahy ho an’ny olon-drehetra ny haikanto toy ny sary hosodoko. “Miezaka ho modely eny anivon’ny fiarahamonina sy ny tokantrano ary ny firenena iray manontolo mihitsy izy ireny”, hoy i Zo Nasandratra, mpanao hosodoko. Nilaza izy fa tokony ho hita taratra amin’ny zavakanto ataony sy amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy misy Malagasy tia korontana intsony, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanorina ny antoko ny Fireneko, Rabary Paul. Nohitsiny fa tsy tokony handeha eny amin’ny kianja 13 mey raha tsy mahazaka lakrimozenina. “Vitsy anisa ny olona miaraka aminareo kandidà 10… Tsy maintsy ho lany amin’ny fihodinana voalohany ny filoha Rajoelina”, hoy […]
Fehinkevitry ny vovonana mpanelanelana : “Tokony haato ny zotram-pifidianana sy ny hetsika an-dalambe”
Namoaka ny fehinkevitra taorian’ny fihaonana samihafa nataony ho an’ny eto an-toerana sy ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vovonan’ ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), sy ny FFKM. “Tokony haato ny zotram-pifidianana ary hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana hifanaraka amin’ny lamina iraisam-pirenena araka ny toromariky ny Sadc sy ny Vondrona eoropeanina”, […]
Diso kajy
Somary nangingina ny tanàna omaly. Nilamindamina ny teto an-drenivohitra amin’ny ankapobeny. Samy miandry izay hiafaran’ny toe-draharaha politika, enina andro mialohan’ny fotoam-pifidianana. Ny mpanao fampielezan-kevitra mandeha, ny mpamory vahoaka tsy miala an-daharana. Manoloana izany ny vahoaka madinika no mizaka ny tsy eran’ny aina. Aiza rey olona no misy kilaom-bary efa […]




