Mois : novembre 2023

Toamasina: misokatra ho an’ny daholobe ny Miami mandritra ny 3 andro

Tonga ilay fotoana! Higoka ny hakanton’ny fotodrafitrasa vaovao ny mponina ao Toamasina. Hisokatra maimaimpoana ho an’ny rehetra ny Miami mandritra ny telo andro. Nanapa-kevitra ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, fa hosokafana ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny ao Miami (Miray hina ary mifankatia) manomboka anio […]

TARATRY ny KANTO

Tovo J’Hay, etsy amin’ny Piment Café. Efa elaela tsy mba tazana tamina « cabaret » indray ity mpanakanto ity. Mialoha ny hanomanany ny fiverenany an-tsehatra goavana, manome fotoana ireo mpankafy azy etsy amin’ny Piment Café Behoririka indray i Tovo J’Hay, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hamerina indray ireo hira […]

« Miss & Mister malagasy 2024 »: hisolo tena ny diaspora i Andy sy i Stéphanie

Voahosotra ho mpandresin’ny fifaninanana “Miss & Mister malagasy 2024”, i Andy, teo amin’ny “Mister malagasy 2024”, ary i Stéphanie Floriane, teo amin’ny “Miss malagasy 2024”. Raha tsiahivina, ny alin’ny sabotsy teo no nanatanterahina izany lanonam-pamaranana izany, tao Paris, Frantsa. Ny fifaninanana natokana ho an’ireo tanora monina ao Eoropa. Araka ny […]

Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona: andalana ny fankatoavan’ny komity iraisam-pirenena ny hiragasy

Lava ny dingana! Fa vaovao mahafinaritra hatrany kosa, satria miroso mankany amin’ny fankatoavana ho anisan’ny harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny hiragasy. Vaovao lehibe ho an’ny kolontsaina malagasy. Manolo-kevitra ny hankatoavan’ny komity iraisan’ny Governemantan’ireo firenena mikambana amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fikajiana sy fiarovana ireo Harem-bakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona ny fampidirana ny hiragasy […]

Randrianalison Herizoa : hitondra ny « Olom-pirenena mahay tantara »

Hotontosaina, anio, eny amin’ny foiben’ny arisivam-pirenena Tsaralalàna, ny valandresaka iarahana amin-dRandrianalison Herizoa, nampitondraina ny lohateny hoe « Olom-pirenena mahay tantara ». Raha tsiahivina, tafiditra ao anatin’ny « Hetsika 2023: Atrikasa » izao valandresaka hitondrany lohahevitra vaovao izao. Ny hetsika izay manana tanjona hamerina ireo maha izy azy ny Malagasy ary tafiditra ao anatin’izany ny […]