Hizara ny kolontsaina avy any atsimo, ao anaty mozika. Tetikasa efa natomboka ela, ary malalaka ny lalana ho an’ny tarika Ndaty Lahy. Naka bahana an-taonany maro, mba hampahafantatra sy hivoy ny beko avy any atsimo, ho an’ny Malagasy rehetra sy ho an’ny mpankafy mozika manerana izao tontolo izao ry Anthony sy ny tariny. Nandalo […]
Mois : novembre 2023
Raha te ho lasa lavitra : ahena ny mpikambana anaty tarika
Nandia fiovana lehibe ny tontolon’ny hira sy ny fivoarany. Teo anelanelan’ny taona 1958 ka hatramin’ny 1972, niroborobo fatratra ny tarika mpihira manana mpikambana maro. Ny ankamaroany, nihoatra ny folo mianadahy. Tsy nanana olana izy ireny raha te hanatanteraka seho any ivelan’ny Nosy. Tahaka izany koa ny fitetezam-paritra teto an-toerana. Io […]
Sary pika : nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Festival Sar’nao »
Ambohipihaonan’ny mpankafy sary pika indray, ny eny amin’ny AFT Andavamamba, mandritra ity volana ity. Misy ihany koa ny fampirantiana ireo sary nampiasana famaitso, izay vokatry ny atrikasa nokarakarain’ny fikambanana Sar’nao. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo AFT Andavamamba, ny hetsika « Festival Sar’nao », andiany faha 14, miara-dalana amin’ny « mois de la photographie ». Nanomboka omaly, ary […]
Vokatra fanondrana : tsy misy singa very ny jirofo iray manontolo
Anisan’ny zavamaniry ilain’ny fianan’ny olombelona ny vokatra fanondrana raha ny eto Madagasikara. Tsy misy very fa ilaina avokoa ny momba izany, raha ho an’ny vokatra jirofo manokana. Maro ny zavatra azon’ny olona ampiasana ny vokatra jirofo, raha ny fanadihadiana natao. Manomboka eo amin’ny fakany, ny hodiny, ny tahony, ny tangozany ary ny raviny. Afaka […]
VAOVAO TAMBATRA
Niakatra 8,2 % ny vidin-tsakafo tao anatin’ny herintaona (septambra 2022-septambra 2023). Nahitam-piakarana 11,8% ny vidim-bary raha niakatra 10,2% ny vidin’ny enta-madinika (PPN). Nahitam-piakarana 10,2 % ihany koa ireo zava-pisotro tsy misy alikaola raha toa ka 7,3% kosa ny taham-piakarana ho an’ny fifandraisan-davitra. Hamokatra kitay vita amin’ny akofam-bary 20t isam-bolana ny […]




