Mois : novembre 2023

Telma : hanomboka ny internet «fibre Go»

Tolotra vaovaon’ny Telma eo amin’ny lafiny internet ny «Fibre Go». Matanjaka, tsy miovaova, sahaza ny rehetra, satria azo ampiasaina mandritra ny iray volana ny tanjaka 150Go, amin’ny sarany 99 000 Ar. Nilaza ny administratera tale jeneraly (ADG) ny Telma, Patrick-Pisal Hamida, fa «nanova ny andavanandrom-piainantsika ny revolisiona niomerika. Miezaka hatrany […]

Tsy ho folaka an-dantony! 

  Avo lenta loatra ilay kajikajy any anatin’ny filalaovana politika eto Madagasikara. Mibaribary fa viraviraina ilay vahoaka. Lalaovina ny fony, tsinontsinoavina ny hambom-pony ka atao sorona ny ainy. Mafy loatra ny fitiavam-pahefana ka tsy mahandry tantana. Mipololoatra toa tsy hay vonoina ny vainafon’ny fankahalana ka mitrifana. Indrisy anefa, mirona amin’ny […]

Madagascar Airlines : angatahana hanohana ara-bola ny Banky iraisam-pirenena

Misedra olana tanteraka ny kaompania Madagascar Airlines. Anisan’ny vahaolana hitan’ny fanjakana ny hindram-bola any amin’ny Banky iraisam-pirenena, hanatanterahana ny drafi- panarenana. Nandefa taratasy tany amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola (MEF) ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), tamin’ ity herinandro ity. Vontoatiny ny hangatahana any amin’ny Banky […]

Ambodimita : norarahana lasantsy ny biraom-pokontany

Niredareda nandritra ny ora iray ny afo teo amin’ny biraom-pokontany Ambodimi­ta, boriborintany fahenina, afakomaly alina. “Nahare olona nikasokasoka tao ivelan’ny trano izahay ary nisy fofona lasantsy noho ny avy eo”, hoy ny nambaran-dRahani­triniaina Lalao, izay mifanalo-bodirindrina amin’ny biraom-pokontany. Nirehitra ny tohatra eo amin’ny trano misy ny biraom-pokontany ka nivoaka avokoa […]

TSELATRA

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny fanafihana nitranga tao amin’ny tokantranon’ny vadin’ny minisitry ny Serasera teo aloha, omaly hariva, teny Ambatolampy Tsimahafotsy. Niantso vonjy io lehilahy io fa misy olona mikasa hiditra an-keriny tao an-tranony. Nanakana ireto farany tsy hiditra ny efitrano ny lasibatra. Lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR sy ny CSP1 teo […]