Hifamotoana etsy Mahamasina indray, anio, ny Vondron’ireo kandidà 10 sy ireo mpiara-dia aminy. Hanomboka amin’ny 11 ora izany. Tsy voafaritra ny mety ho lalan’izy ireo amin’izany. Tsiahivina fa niato ny hetsika sy ny fidinana an-dalambe, omaly, taorian’ny nikasan’izy ireo hiditra ny kianjan’ny 13 mey ny alatsinainy teo. Tokony hanelanelana izao […]
Mois : novembre 2023
Jeneraly Ravalomanana Richard: “Tsy voasakana intsony ny hisin’ny fifidianana”
“Tsy voasakana intsony ny hisin’ny fifidianana”, hoy izy, teny Anosy, afakomaly. Efa misy ny lamina natao hoe amin’ny 16 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany. “Hatramin’izao, mandeha amin’izay zotram-pifidianana izay isika”, hoy izy. Ny hevitry ry zareo vondron’ny kandidà ny hoe tsy handeha amin’izany. Anjarany izay. Efa ao anatin’ny […]
Tsy maintsy milamina !
Miseholany etsy sy eroa indray ireo misora-tena ho tsy miandany amin’ny atsy na ny aroa. Misy ny vondrona izay mipoitra ho mpampihavana tampoka izany. Misy ny milaza ho raiamandreny rehefa tsy hita popoka ny mpitondra fivavahana, izay natao an-tampon’ny loha teo aloha. Ny vazaha rahateo efa nanambara mazava fa […]
Kandidà Rajoelina Andry : « Fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka no ho tanterahina »
Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Tao anatin’izany no nanaovany fanamby ny amin’ny fanaovana sy fanohizana ny fotodrafitrasa efa natomboka ho famaliana ny filàn’ny vahoaka. Ny vahoakan’ny distrikan’i Mandritsara, Befandrina Avaratra, Mananara Avaratra ary Sambava indray no nitafa tamin’ny kandidà laharana fahatelo, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony omaly. Ny […]
Ankadikely Ilafy : mpivady niara-naiditra am-ponja
Niaraka notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo mpivady nahatrarana moto halatra tao amin’ny fokontany Ambohipanja, kaominina Ankadikely Ilafy, ny 5 novambra teo. Nitrangana vaky trano teny amin’ny fokontany Belanitra, anatin’io kaominina io, ny alin’ny 4 novambra. Very tamin’izany ny moto scooter iray sy ny vilany tao an-tokantrano. Naharay fampahafantarana anefa […]




