Mois : novembre 2023

TARATRY ny KANTO

“Convergence”, eny amin’ny Mozaïk An­tsahabe. Fampirantiana zavakanto iombonana izy ity, izay nisokatra omaly ka haharitra hatramin’ny 7 desambra ho avy izao. Ho tazana mandritra izany ny sanganasan’ireo mpanao sary sy hosodoko. Aingam-panahy marolafy, havoaka amina endri-javakanto maro karazana koa no mamoaka ny lohahevitra iombonan’ireto mpanakanto ireto. Rehefa tsy tazana elaela […]

Faniry Ezeckiel : hivoaka ny boky « Tantely amam-bolana »

Sabotsy 25 Novambra 2023 ho avy izao, hanomboka amin’ny 1 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Trano­ben’ny Serasera sy ny kolontsaina Akon’Ankaratra. Ha­voaka amin’ny fomba ofisialy ny boky « Tantely amam-bolana », mirakitra tononkalo sy riankalo sanganasan’i Faniry Ezeckiel. Boky 140 pejy. Ahitana lohahevitra miompana amin’ny fiarahamonina sy fitiavana amin’ny fomba fijery […]

Hira ara-pilazantsara: tafajoro Ny Antsa Ministry

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindra­mamy, ny fananganana tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana Ny Antsa Ministry, misehatra eo amin’ny haikanto, indrindra ny hira ara-pilazantsara. Ankoatra ny antoko mpihira Ny Antsa Mass Choir na NMC, ahitana vondrona telo ihany koa mandrafitra Ny Antsa Ministry. « Mitaona ny tanora hahay handray andraikitra mba […]

Mpanao mozika sady avara-pianarana : nodimandry i JonHarp, na Ramose Jaona

Ramaroson Mamiharijaona no tena anarany. Fantatra amin’ny sehatry ny fikarohana sy ny fampianarana ambony, ny fitoriana ny Filazantsara fa indrindra ny mozika izy. Nodimandry, omaly, i JonHarp. Lavo ny andrarezina. No­dimandry teo amin’ny faha-68 taona ny Rama­roson Mamiharijaona. Mpa­nakanto mpamoron-kira sy mpitendry izy, ary ny fiangaliana ny harpa no tena […]

Herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy : 23 ireo vehivavy niharan’ny herisetra ara-pananahana manerana ny Nosy

Mitombo isan-taona ny antontanisa voaray momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy eto amin’ny Nosy. Efa mihasahy sy mihamaro ny olona mitoroka sy miteny ary manatona ny Sam­pandraharaha ka antony mahatonga izany, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny Bri­gade féminine de proximité. Maro ny karazana herisetra […]