Tontosa tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ny “Gala international Multi-boxe”, andiany voalohany. Fifaninanana nokarakarain’ny federation malgache de savate boxe française. Nifampizaran’ny Malagasy sy ry zareo avy atsy amin’ny Nosy rahavavy ny fandresena, teo amin’ny vokatra. Ho an’ny savate boxe, sokajy -63,5 kg, lehilahy, nisongadina ilay renioney, […]
Mois : novembre 2023
« World Jiu-Jitsu Championship » : hiditra an-tsehatra anio i Zo Aina
Hiditra amin’ny andro fahefatra anio, ny fifaninanana “World Jiu-Jitsu Championship”, handraisan’i Madagasikara anjara any Abu Dhabi. Malagasy atleta faha-6 amin’ireo mpandray anjara i Zo Aina, izay hiditra an-tsehatra anio. Taorian’i Nofy, i Adriano, i Christian, i Tafita, i Rajo ary i Linjo, anjaran’i Zo Aina indray ny hifaninana ho amin’ny […]
Fifidianana : noraisin’ny MDN ny filohan’ny Ceni
Nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny Ampahibe, omaly ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Arsène. Ho fanohizana ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023 no tena anton’ny fihaonana teo amin’ireto tomponandraiki-panjakana ambony ireto. niompanan’ny fifampiresahana ireo dingana rehetra hitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra […]
Ambohidratrimo: tafatsangana ny fikambanana Zam
Fikambanana miahy ny sosialim-bahoaka ny fikambanana Zam eny Ambohidratrimo. Anisan’izany ny fanampiany ny Akany Avoko, manabe ny ankizy. Tafatsangana ny fikambanana Zanaka Ambohidratrimo Marovatana (Zam), ahitana vondrona samihafa any Ambohidratrimo Marovatana. Anisan’izany ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, ny ara-panatanjahantena, ny vehivavy, ny sampana avy amin’ny fiangonana maro, sns. Miparitaka any […]
INDRAY MIJERY
Misy fiofanana maimaimpoana momba ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro an-dobo sy an-tanimbary ary dobo vita simenitra. Eo koa ny famokarana zanatrondro tilapia sy karpa sy ny sakafon-trondro hotanterahina ny 10-11 novambra ho avy izao. Mandray fisoratana anarana ny biraon’ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga ao Diana. […]




