Fifidianana : noraisin’ny MDN ny filohan’ny Ceni

Nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny Ampahibe, omaly ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Arsène. Ho fanohizana ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023 no tena anton’ny fihaonana teo amin’ireto tomponandraiki-panjakana ambony ireto. niompanan’ny fifampiresahana ireo dingana rehetra hitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Afaka 10 andro katroka dia higadona izany fotoana lehibe izany ka tafiditra indrindra ao anatin’ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fahatanterahan’izany antsakany sy andavany ao anatin’ny fitoniana izany. Eo koa ny hiarovana ny zo fototra hananan’ny Malagasy feno 18 taona no ho miakatra haneho ny safidy an-kalalahana ka mba hifidy izay olona tena hitondra ny firenena ny vahoaka malagasy.

Jean Claude

Partager sur: