Niampatrampatra ny fatin’ny dahalo voatifitry ny mpitandro filaminana tany Tsiazonaloka, fokontany Ambavaninara, kaominina ambanivohitra Marotsialeha, distrika Ambatomainty, faritra Melaky, afakomaly. Nangalatra omby tao amin’io tanàna io ny dahalo am-polony nitondra fitaovam-piadiana. Naka omby 20 izy ireo ary nitsoaka nandositra. Nahare io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro […]
Mois : novembre 2023
TSELATRA
Zazakely iray naratra mafy nianjeran’ny sobika feno manga teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Kamiaobe iray feno manga no nivarotra teny an-toerana. Nifandrombaka ireo mpividy ka nianjera tamina zazakely zanaka mpivarotra teo akaikin’ilay fiara ny sobikabe nisy manga. Na teo aza ny ratra nahazo azy, avotra soa aman-tsara ihany ny ainy. […]
Nanao fitsaram-bahoaka : mpivady karohin’ny polisy fatratra
Matin’ny fitsaram-bahoaka ny lehilahy, 38 taona, mpangalatra mangahazo, ny talata lasa teo. Ifampitadiavan’ny polisy ny mpivady, lasibatry ny halatra saingy nahafaty olona. Matin’ny daroky ny tompon’ny mangahazo nangalariny ny lehilahy 38 taona, ny talata 21 novambra teo. Tao Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Amberomanga, distrikan’Itasy no nisehoan’izany. Tratra ambodiomby izy ka nanamparan’ireto […]




