“Takinay ny hanaovan’ny Ceni fanadihadiana ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra niseho mialoha na nandritra na taorian’ny fifidianana. Fahefana nomen’ny lalàna azy izany”, hoy ny KMF/Cnoe, omaly, tetsy Antanimena. Takin’izy ireo ny tatitry ny fampiasam-bola nataon’ireo kandidà nandritra ny fifidianana. Na izany aza, natsidiky ny KMF/Cnoe fa filohan’ny Malagasy rehetra ny lany […]
Mois : novembre 2023
Akombony ny vava !
Mahatsiravina toa maharikoriko izany ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Toa tsy misy hasiny intsony ny aina. Tsy mampaninona izany hoe mandatsa-dra izany. Tsy an-tanàn-dehibe, tsy any ambanivohitra fa manapoaka izay afaka manapoaka, mamono izay te hamono. Mahavalalanina tsy hita izay ilazana azy. Na izany aza, tsy takona […]
Foiben’ny Ceni Alarobia : nanara-maso ny fikirakirana voka-pifidianana ny Sadc
Nijery ifotony sy nanara-maso ny fizotry ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny iraka mpanara-maso eo anivon’ny Sadc, omaly. Tonga teny amin’ny foiben’ny Ceni, Alarobia, izy ireo. Nitondra fanazavana tamin’ireo delegasion’ny Sadc ny fomba fanatanterahana ny dingana, mialoha ny hamoahana ny fironan’ny voka-pifidianana ireo mpiasa eo anivon’ny Ceni, omaly. Nampahafantarina azy ireo […]
Taxi-be nifanenjika: nifampisokirina ilay lehilahy voadona
Nanao ny ataony indray ny mpitondra taxi-be teny Alarobia-Ivandry, omaly maraina. Vaky loha sy tapa-tongotra vokatry ny fifanenjehan’ny taxi-be 180 miisa roa ny lehilahy iray izay manana olana tsy afa-mandeha fa mipetraka ambony seza atosi-tanana. “Efa saika nandona polisy teo Tsarasaotra io taxi-be io kinanjo izao nifaoka olona izao”, hoy […]
TSELATRA
Renim-pianakaviana iray naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana, teny amin’ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, omaly maraina. Nitondra fiara tsy mataho-dalana io ramatoa io kinanjo nifatratra tampoka tany an-tanimbary ny fiara nentiny. Tsy nisy aina nafoy. Maty an-drano tany amin’ny fokontany Kaolinina, Farafangana, ny tovolahy iray 23 taona, ny 18 novambra lasa teo. Nilomano niaraka […]




