Mois : décembre 2023

Ping-pong – Mada 2023: tompondaka Rakotoarisoa Riva, avy eto Analamanga

Ilay mpilalaon’Analamanga, Rakotoarisoa Riva, no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, taona 2023. Anisan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, izay miatrika ny  “Jeux Africain”, any Ghana, ny tenany.  Nifarana omaly, tany Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy ambony latabatra “ping-pong”, taom-pilalaovana 2022-2023. Norombahan-dRakotoarisoa Riva, mpilalao avy amin’ny ligin’Analamanga […]

“Pré-qualification Afrobasket 2025”: voaantso hanatevin-daharana i M’Madi sy i Kiady

Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny “pré-qualification Afrobasket 2025”, Senior lehilahy, hatao eto Madagasikara, ny 15 hatramin’ny 19 janoary izao. Nisongadina ao anatin’izany lisitra izany ny fahitana ny anaran’i M’Madi Mathias, Malagasy  mpilalao milaravinahitra any Etazonia sy Razanamahenina Kiady, milaravinahitra any Frantsa. Mpilalao samy nisongadina […]

Kitra – «Can 2023»: Samy manana ny fomba fiomanany ireo firenena 24

J-15 mialoha ny hanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny baolina kitra hifanandrinan’ireo firenena ny rehetra (Can 2023). Fihaonana hotanterahina any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary ho avy izao. 24 ireo firenena hiady ho lohany amin’ity. Maro amin’izy ireo ny nisafidy hanomantena any ivelan’ny firenena misy azy. Anisan’izany i […]

Sombim-baovao

Hotanterahina anio indray, ny andro faha-19, fiadiana ny ho tompondakan’i Angleterre, « Premier League 2024 », taranja baolina kitra. Anisan’ireo hiakatra kianja androany, ny Manchester City, tompondaka farany. Hifanandrina amin’izy ireo ny ekipan’ny Sheffield United. Lalao hatao ao amin’ny Etihad Stadium Manchester. Hotontosaina anio, ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, […]