Mitohy ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena, hisorohana ny fanararaotana amin’izao andro fety izao. Manodidina ny 800-850Ar ny kapoaka ny vary gasy fotsy sy ny tsipala. Mahatratra 900-950Ar kosa ny kapoaka ho an’ny dista sy makalioka ary ny vary gasy mena Manalalondo sy ny Mangamila. Manodidina ny 950Ar ny kapoaka […]
Mois : décembre 2023
Fampitomboana ny vokatra anaty rano: nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao Andranobe
Fanamby apetraky ny fanjakana ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny sy ny fanampiana ny tantsaha mpiompy. Faritra maro nisitraka fizarana zana-trondro. Mitohy ny hetsika fampiroboroboana ny famokarana anaty rano. Nandrotsahana zana-trondro 12 000 tao amin’ny farihy Andranobe atsinanana, faritra Vakinankaratra ny talata teo. Hetsika natao vokatry ny fiaraha-miasan’ny mpanjono ao amin’ny […]
Manandriana: nahazo milina fanodinana voasary makirana
Ao anatin’ny tetikasa fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny famokarana anatiny. Nisitraka ny taninketsa indostrialy, tamin’ny alalan’ny milina fanodinana voasary makirana, ny distrikan’i Manandriana, ny alarobia teo. Mpisitraka voalohany ny tetikasa ny vondron’ny kaoperativa izay ahitana kaoperativa 14. Nanatanteraka ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny milina tao Ambovombe Centre, ny […]
Jery todika 2023: mandeha ny fanamboaran-dalana
Nanana ny toerany tamin’ity taona 2023 ity, ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9, ny RN44, raha mbola mitohy ny asa any amin’ny RN13. Notokanana ny volana aogositra 2023 teo ny lalam-pirenena RN9. Mirefy 165 km ny lalana natao godirao tanteraka, izay nizara roa. Eo Analamisampy hatrany Bevoay, […]
Ao anatin’ny telo andro misesy: misy taratra andro ratsy, ho betsaka ny rotsakorana
Araka ny sary azo avy amin’ny zanabolana omaly. Misy taratra andro ratsy mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Niseho nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso faran’ny taona izany.Tombanana hitondra rotsakorana betsaka manodidina ny 60 hatramin’ny 90 mn/ora any amin’ny ilany afovoany Andrefan’ny Nosy izy io. Ahina, araka izany, ny hahabetsahan’ny rotsakorana. Mbola malefaka […]




