Curesure Medico : “Ny aretina tsy mifindra no hitsaboan’ny Malagasy tena any India”

200 000 isan-taona ny afrikanina tonga mitsabo tena any amin’ireo hopitaly any India, indrindra ireo tratran’ny aretina tsy mifindra toy ny fo, voa, tratra… Tsy vitsy ny Malagasy misafidy ny hanaraka fitsaboana na fandidiana any an-toerana rehefa tsy vita eto amintsika.
Hametraka fiaraha-miasa hanamorana ny fahazoan’ny Malagasy misitraka fitsaboana any India ny Curesure Medico ary nampahafantarina omaly, teny amin’ny Oniversite FJKM Ravelojaona, Andohalo, hoy ny talen’ny fitantanan-dra­haraha eto Madagasikara, Joseph Jerôme. Manana toeram-piofanana momba ny fahasalamana ny oniversite ary mampiofana “paramédicaux”. 1 200 ny mpiasan’ny faha­salamana eto Mada­g­­asikara miray ombon’antoka amin’ny Curesure Medico ary mahatratra 3 967 aty Afrika. Tsara ny kalitaon’ny fitsaboana sady manara-penitra ary miroborobo ny fizahantany mifototra amin’ny fitsaboana any India. Tonga teny Ando­halo rahateo ny masoivohon’i India miasa eto amintsika nanotrona ny fanokafana ny fiaraha-miasa.
Hopitaly indianina 22 no manana fifanarahana amin’izy ireo, azon’ny Malagasy hisafidianana arakaraka ny fitsaboana ilaina. Nikarakara fa­melabelaran-kevitra momba ny aretina tsy mifindra ny Cursure Medico, omaly, satria ireo sokajin’aretina tafiditra amin’izay no tena hivoahan’ny Malagasy any ivelany mitsabo tena.

Vonjy A.

Partager sur: