Nirotsaka ny orana tato ho ato. Efa mametraka fahamailoana ny BNGRC ka nanaitra ireo mponina amin’ireo fokontany tandindomin-doza. Napetraka ny saina miloko mena ho fampahafantarana azy ireo.
Mahatonga ny fihotsahan’ny tany, fianjeran’ny vato indrindra amin’ireny faritra avo ireny ny fahabetsahan’ny rotsakorana. Tafiditra amin’izany ny eny amin’ny fokontany Manjakamiadana, Ambanin’ Ampamarinana sy Andafiavaratra, Ambohipotsy, Andafiavaratra. Saina miisa 31 avy amin’ny BNGRC ary saina miisa 43 kosa avy amin’ny Croix rouge malagasy (CRM) no napetaka.
Tandindomin-doza, araka izany, ireo toerana voasokajy anatin’ny faritra mena ireo ka mila mailo. Misy mihitsy ireo tokony hifindra toerana mba hisorohana ny tampoka .
Nofanina ihany koa ireo sefo fokontany sy ireo komity miara-miasa aminy amin’ny fitantanana ny loza… Niaraha-nijery ny fomba fanentanana ireo olona voakasika rehetra.
Nifarimbona tamin’ny fametahana ny saina ny BNGRC, CRM, Sampana mpamonjy voina, ny CPC ary ny CUA.
Tatiana A




