Oniversite sy IST: ny 11 desambra ka hatramin’ny 15 ja­noa­ry 2024 ny fidirana

Notanterahina ny alakamisy lasa teo ny fivoriana faratampony ho an’ny filohan’ny oniversite, izay natao teny Fiadanana, fihaonana nampitain-davitra izay nandinihina sy nanapahana ny mahakasika ny tontolon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara. Nitarika ny fihaonana ny profesora Assoumacou Elia Béatrice, minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Niatrika ny fivoriambe ireo filohan’ny oniversite enina sy tale jeneralin’ny Insitut supérieur de technologie (IST) rehetra manerana ny Nosy, ireo talen’ny “Ecoles Doctorales”, Sojabe ary ny filohan’ny sampam-pampianarana samihafa.
Samy nampita ny mahakasika ny fizotry ny famaranana ny taom-pianarana sy ny fahavitany ny isaky ny oniversite sy ny toeram-pianarana, sampam-pianarana ary ny “Ecoles Doctorales”. Fantatra fa efa saika nahavita ny taom-pianarana ny ankamaroan’ny oniversite sy IST rehetra ankoatra ireo vitsivitsy izay efa mamarana ny taom-pianarana amin’ity faran’ny taona ity.
Tapaka, nandritra izany, fa amin’ny 11 desambra 2023 hatramin’ny 15 janoary 2024 no hanombohan’ny taom-pianarana 2023-2024 amin’ny oniversite sy IST tsirairay avy. Io elanelam-potoam-pidirana io dia natao ahafahan’ny isan-tsokajy sy ambaratongam-pampianarana mandamina sy mandrindra ny fidiran’ny mpianatra ao aminy. Ferana hatramin’ny 25 janoary 2024 kosa ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra L1 hatramin’ny Master. Mahakasika manokana ireo “Ecoles Doctorales”, ny 15 janoary 2024 ka hatramin’ny 15 febroary 2024 ny fidirana.
Entanina ny mpianatra rehetra hanatona ny sampam-pianarana sy ny oniversite ary ny IST na hijery ireo petadrindrina na hanaraka ny pejin’ny oniversite sy sampam-pampianarana izay misy ny fanampim-baovao.

Vonjy

Partager sur: