Rabemananjara Kanto: feno tebiteby ny 42%-n’ny reny mitondra vohoka

Mitondra fanazavana ma­hakasika ny mahasarobidy ny fahasalamana ara-tsain’ny re­ny Rabemananjara Kanto, izay manomana Ph.D momba ny “Psychologie clinique” ao amin’ny George Washington University any Washington DC, ary misitraka ny vatsim-pianarana Fulbright.
Ho an’ireo vehivavy bevohoka sy ireo mitaiza kely dia zava-dehibe ny fanohanana ara-tsaina azy ireo. Araka ny fikarohana dia 42% amin’ny reny malagasy no feno tebiteby loatra mandritra ny fitondrana vohoka. Ny10% amin’ny reny kosa no hita fa tratry ny fahaketrahana ara-tsaina ho an’i Toliara.
Mbola vitsy ny mpikaroka mandalina io lohahevitra io sy manao fikarohana mahakasika izany. Vesatra be ho an’ny fahasalamam-bahoaka anefa ny olana ara-tsaina mianjady amin’ny reny.
Zavatra tokony hahasambatra sy hampiadan-tsaina anefa ny fahaterahana sy fitondrana vohoka. Mila hazavaina amin’ny sain’ny reny ny mety ho fiovana amin’ny maha reny. Na ny tsy fahampian-torimaso sy ny fiovan’ny hormone rehetra dia misy fiantraikany amin’ny toe-po. Miteraka rarintsaina izany fiovana rehetra izany. Herin­taona aorian’ny fiterahana dia tena misongadina izany.
Amin’io vanimpotoana io mihitsy no tena ilana tohana, satria manomboka tsingerina vaovao amin’ny taranaka manaraka mihitsy eo. Miova amin’ny ara-batana, ara-tsaina, fitaizana… Mivoaka daholo ny ratra rehetra fony fahazaza ka tena saro-pady io vanim-potoana io.
Feno fiovana sy tranga mety tsy hampoizina ny fiainan’ny reny manomboka eo.

Tatiana A

Partager sur: