Nitondra fanazavana mahakasika ny ezaka atao hiadiana amin’ny herisetra ny tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny vehivavy, ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, Rabetaliana Rova Harimboahangy sy ireo mpiara-miasa aminy.
Tsy azo hamarinina ny herisetra nianjady amin’ny ankizy niparitaka tamina tambajotra sosialy ireny. Toraka izany ny mihatra amin’ny olona manana fahasembanana…
Mijoro amin’izany ny minisiteran’ny Mponina.
Ny hetsika eto Madagasikara ao anatin’ny 16 andro iadiana amin’ny herisetra dia efa nandray andraikitra ny fanjakana. Misy ny lalàna 2019/008 sy ny famoahana ny didy hitsivolana fampiharana izany.
Navoaka ny boky niarahana nandrafitra tamin’ny mpisehatra rehetra ho fisorohana sy fandraisana an-tanana ary manamafy ny sazy amin’ireo mpanao herisetra. Mipetraka ny ivontoeram-pihainoana handraisana ireo niharan’ny herisetra. Manome tohana ara-tsaina ny mpiasa sosialy ary manaraka ny dingana tokony hatao sy manoro hevitra.
Mandefa any amin’ny sampandraharaham-panjakana mahakasika ny fanirian’ny niharan’ny herisetra. Anisan’ izany ny fitoriana na fitakiana onitra …
Raha naratra na mila fitsaboana ireo niharan’ny herisetra dia mitondra mankany amin’ny dokotera ary maka ny cértificat médical ary mitondra an-tanana any amin’ny sampandraharaha mba hisian’ny fahatokisan-tena mandra-pahaleotena azy ireo.
Raha vavolombelona trangana herisetra ny olona iray dia tsy tokony hisalasala manatona ny sampandraharahan’ny Mponina.
Tatiana A




