Natolotra omaly, teny Ambatoroka, ny valin’ny fikarohana nataon’ny Centre de recherche et de développement eo anivon’ny UCM momba ny antony mitarika ny fialan’ny mpianatra an-daharana ka tsy ahatontosany ny ambaratonga faharoa. Nanohana ny fikarohana ny AUF amin’ny alalan’ny Agence française de développement anatin’ny tetikasa « Apprendre », hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana amin’ny firenena 26 miteny frantsay.
56% ny tahan’ny fahavitan’ny mpianatra ny ambaratonga voalohany (EPP) ary 26% ho an’ny ambaratonga faharoa (kolejy), araka ny fanadihadiana MICS nataon’ny Unicef ny taona 2022 na teo aza ny ezaka samihafa sahanin’ny governemanta sy ny mpiray ombon’antoka. Amin’ny mpianatra 100 miditra amin’ny garabola, 40 amin’ireo ihany ny mahatody hatramin’ny kilasy 7ème eto amintsika. 33 (amin’ny 100) no tafiditra amin’ny ambaratonga faharoa (CEG). Nanatanteraka fanadihadiana momba ny antony mitarika ny fialana andaharan’ny mpianatra tsy ho tody amin’ny ambaratonga faharoa ny mpikaroka ao amin’ny Université Catholique de Madagascar (UCM). Nanomboka ny taona 2020 ny fanadihadiana natao tamin’ny faritra telo manana tahan’ny fidirana an-tsekoly ambony sy ambany, ahitana ny faritra Analanjirofo sy Amoron’i Mania ary Menabe. Nezahina ny hampiseho ny zava-misy manakaiky ny taratry ny fiarahamonina amin’ireo faritra telo ireo, hoy ny mpandrindra ny tetikasa sady mpikaroka, Rakotomalala Olivier, omaly, teny Ambatoroka.
Tsy ampy fidiram-bola
Nisongadina taorian’ny fidinana ifotony teny anivon’ny fianakaviana nohadihadiana fa maro ny antony mitarika ny mpianatra iray hiala an-daharana ka tsy mahatody hatramin’ny ambaratonga faharoa any an-dakilasy. Voalohany indrindra ny tsy fahampiana ara-bola eo anivon’ny tokantrano. Misy koa ny antony maromaro mifampiankina, toy ny tsy fahasalamana, ny zava-nitranga tsy nampoizina nitarika ny fianakaviana nampijanona ilay zaza nianatra…Vokany, ilaina ny manome tohana marolafy ho an’ny fianakaviana iray manontolo satria mifameno tanteraka ny tranga rehetra. Tokony hohenoina ny fitarainan’ny ray aman-dreny mialoha ny hamolavolana tetikasa tohana hampiakarana ny tahan’ny fahatongavan’ny ankizy any amin’ny ambaratonga voalohany sy faharoa. Raha manana ray aman-dreny niala an-daharana ilay zaza mianatra, mety misy ambana ny hitarika ilay mpianatra hanao toy izay, hoy ny fanazavany.
Vonjy A.




