Nandritra ity taona ity, nisy ny fakan-kevitra tamin’ny
tanora 1 770, tamin’ny alalan’ ny fanadihadiana momba ny zavatra andrasany sy ny hetahetany ary ny fanahiany ho an’ny hoavy andrandrainy amin’ny sehatra fito. Nifarimbona tamin’ny fanadihadiana ny Unicef sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nivoitra avy tamin’ny fanadihadiana natao fa tanora telo amin’ny 10 no voatery miala an-daharana any an-tsekoly noho ny fahasahiranana. Ireo nahatody tamin’ny fianarana indray manana olana amin’ny fidirana amin’ny sehatry ny asa.
Ho an’ny fiahiana ny fahasalamana, mahatsapa izy ireo fa misy sakana tsy ahafahany misitraka tolotra ara-pahasalamana sahaza azy.
Maniry ny handray anjara bebe kokoa ny tanora amin’ny famolavolana ny politika na ireo fandaharanasa mifandraika amin’ny hoaviny. 27% amin’ ireo tanora no efa manaraka ny fivoriana eny amin’ny fokontany misy azy, raha 38% kosa ireo anatin’ny fikambanana na sehatra ahazoany maneho hevitra.
Hoentina hanatsarana ny paikadim-pirenena ho fampahaleovan-tena ny tanora ny valin’ny fanadihadiana, hitondrana fiovana eny anivon’ny fiarahamonina. Vonona rahateo ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena hamadika ny vokatry ny fanadihadiana ho asa mivaingana, araka ny nambaran’ny minisitra mpiahy teny Anosy. Hanohana hatrany ireo sahanasa mampandray anjara ny ankizy sy ny tanora koa ny Unicef satria zo fototra ny haneho hevitra amin’ny zava-misy sy ny tontolo mahakasika azy ireo.
Vonjy




