Nomarihina, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana.
“Asa mendrika ho an’ny olona manana fahasembanana” no lohahevitra novoizina. Nitondra hafatra ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, ny amin’ny hanairana ireo sehatra maro hifanome tanana amin’izany fanomezana asa mendrika ireo sokajin’olona manana fahasembanana ireo.
Ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina miezaka hanatsara ny lalàna laharana faha-79.044, tamin’ny 2 febroary 1998, mba hifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena mahakasika ny zon’ny manana fahasembanana .
Eo am-pandrafetana ny politika nasionaly ho fampiatiana sy ho fampizakan-tena ireo olona manana fahasembanana ahafahany misitraka ny zony mitovy amin’ny olona rehetra.
Tsy vitan’ny irery ny asa fa mitaky ny fiaraha-mientan’ny hery velona rehetra, ny fanjakana, ny mpandraharaha sy ny mpikatroka rehetra indrindra ireo fikambanana miahy ny olona manana fahasembanana mba hifanome tanana.
Ny tanjona dia tsy ho vesatry ny fiarahamonina fa ho mpandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny olona manana fahasembanana.
Tatiana A




