Fanorenan-trano : mahasarika mpiavy ny miala kely ny renivohitra

Betsaka ny fanorenana trano vaovao eny amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy. Nihanitombo izany nanomboka tamin’ny taona 2020 hatramin’izao. « Betsaka ny manorim-ponenana eny an-toerana ny mponina avy eto amin’ny faritr’Antananarivo », hoy ny lefitry ny ben’ny Tanàna eny amin’ity kaominina ity, Ramananjanahary Velo Narindra Emma. Manodidina ny 70% eo ny mpiavy manorim-ponenana eny an-toerana, raha ny antontanisa voaray. Mpiasa birao sy olona efa misotro ronono avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Miala ny tabataba sy ny rotoroton’ny fiainana eto an-drenivohitra no tena mandrisika azy ireo hifindra monina sy hanorina trano any, raha ny fanazavana hatrany. Raha ho an’ny kaominina eny an-toerana manokana, toerana mahafinaritra, madio rivotra, mbola milamina ny fandriampahalemana, eo ihany koa ny fisian’ny sekoly polytechnique eny an-toerana.

Mino

Partager sur: