Nisy dingana vita tamin’ity taona ity ho an’ny olona manana fahasembanana. Anisan’izany ny fandraisana anjara tamin’ny zotram-pifidianana sy ny fanehoan-kevitra eny anivon’ny fiarahamonina.
Zavatra iray lehibe nisongadina tamin’ity taona ity ny adisisika nataon’ny firaisamonim-pirenena ny amin’ ny tokony handraisan’ny olona manana fahasembanana anjara anatin’ny zotram-pifidianana. Manomboka amin’ny fiomanana rehetra izany ka hatramin’ny fandatsaham-bato, hoy ny filohan’ny tambajotra malagasy ho an’ny fahasembanana, Razafindrakoto Falihery, omaly. Tsapa tao anatin’ny fampielezan-kevitra nataon’ny kandidà fa tsy nisy resaka momba ny olona manana fahasembanana na koa fandaharanasa manokana natokana ho azy ireo. Hadino tanteraka tao anatin’ny adihevitra nifantoka tamin’ny krizy politika ny fandresen-dahatra samihafa. Nandritra ny fampielezan-kevitra, natao fitaovana hisarihana olona hijery ny hetsika ny olona manana toe-tena fohy izay manambany ny hasina maha olona tanteraka ary manary ny zony ny fanaovana izany.
Rehefa tonga ny androm-pifidianana, voalazan’ny mpanara-maso ny fifidianana fa 30% amin’ny birao fandatsaham-bato tsy azon’ny olona manana fahasembanana ampiasaina akory. Tsy voahaja, noho izany, ny zo fototra maha olom-pirenena azy ireny haneho safidy amin’ny latsa-bato. Nisy ezaka nataon’ny Vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana (Ceni) nanonta taratasim-pifidianana manokana vita «braille» ho an’ireo manana olana amin’ny fahitana nefa natokana mihitsy ny toerana nahazoan’izy ireo mifidy ka tsy voahaja ny tsiambaratelon’ny latsa-bato. Tsy fantatra mazava koa ny isan’ny olona manana fahasembanana nifidy satria tsy nisy ny fitaovana sy ny olona manana ny fahaiza-manao nisahana ny fanisana.
Vonjy A.




