Seces Fianarantsoa: hamarana ny taom-pianarana

Taorian’ny fivoriana nataon’ny mpampianatra mpikaroka (anatin’ny Seces) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro lasa teo; tapaka fa hiverina hamarana ny taom-pianarana 2022-2023 izy ireo. Nanamarika sahady kosa anefa ny mpampianatra mpikaroka fa hampihatra ny tapaka nandritra ny Kongresy nasionaly nataony ny volana desambra 2021, ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023 -2024. Mbola mitoetra ny fitakiana rehetra, araka ny fanambarana nataon’ izy ireo tao anatin’ny Filankevitra nasionaly notanterahina ny volana jona lasa teo.
Hitsinjo ireo mpianatra ka hamarana ny taom-pianarana aloha izany ireo mpampianatra fa tsy mbola fantatra na hanaraka ny tetiandro fidirana voafaritra ny 11 desambra ka hatramin’ny 15 janoary 2024 na tsia. Mbola ampahany vitsy monja amin’ny fitakiana no nanomezan’ny fanjakana valiny hatramin’ izao, hoy ny fanehoan-kevitra iraisan’ny mpampianatra mpikaroka ka mampanahy ny hoavin’ny taom-pianarana vaovao raha ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao.

Vonjy

Partager sur: