Nilaza ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire, fa tao anatin’ny 10 taona dia nitombo 240% ny trangana VIH teto Madagasikara. Nitombo 423% ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity.
Mila mitambatra na ny mpitondra na ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tolona iombonana ho famongorana ny aretina VIH/Sida, hoy hatrany ny masoivohon’i Etazonia. Ezaka ny hanatrarana ny tanjona, ny hampahomby sy hampaharitra ireo fandaharanasa efa napetraka.
Ny ezaka ataon’ ny mpitondra sy mpiara-miombon’antoka hampitovy lenta ny tolona dia miankina amin’ireo fihainoana ny feon’ireo vondrom-piarahamonina, indrindra ireo voailika sy iharan’ny tondro molotra.
I Etazonia no mpamatsy vola betsaka indrindra amin’ny ady amin’ny Sida sy ny tiberkilaozy ary ny tazomoka maneran-tany. Teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2023, manodidina ny 25 000 tapitrisa dolara ny vola narotsak’i Etazonia ho an’ny Global Fund. Marary miisa 20 tapitrisa no misitraka fitsaboana ny VIH/Sida amin’ ny tohana ataon’i Etazonia.
Manohanan ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara ihany koa amin’ny fitiliana sy fitsaboana ary fisorohana ny fihanaky ny aretina VIH/Sida amin’ireo vondrom-piarahamonina marefo izy ireo.
Efa maro ny ezaka vita ary miara-manohy ny tolona iombonana ny isan’ambaratonga. Maimaimpoana ny fitiliana sy ny fitsaboana ny VIH/Sida, hatramin’izao.
Tatiana A




