Atsimo Andrefana : hahatratra 40°C ny maripana

Tsy hisy tranga mahery vaika ahina hiseho mandritra ity herinandro ity, araka ny fampahafantarana avy amin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Amin’ny ankapobeny, tso-drivotra malefaka miovaova izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefana no hamaritra ny toetry ny andro hatramin’ny zoma ho avy izao. Tsy ho marin-toerana ny atmosfera saika manerana ny Nosy manomboka ny sabotsy.
Ahitana oram-baratra ny ilany avaratra andrefan’ny Nosy hatramin’ny anio. Hiitatra any amin’ny ilany andrefana sy atsimo andrefana izany rahampitso sy ny zoma ho avy izao. Handrahona mitsitokotoko na hibaliaka ny masoandro any an-kafa. Hisy tandrifin-drahona mety arahin-kotroka saika manerana ny Nosy manomboka ny sabotsy.
Hisy fiakarana misongadina ny maripana ambony amin’ny ilany atsimo andrefan’i Madagasikara ho an’ny dimy andro voalohany. Manodidina ny 13-26°C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny ny 26- 40°C ny tolakandro.
Eto Antananarivo, manevokevoka koa ny maripana rehefa atoandro satria mahatratra 30°C ho an’ny omaly. Ilaina ny misotro rano matetika sy miaro amin’ny taratry ny masoandro amin’ny satroka sy ny elo.

Vonjy

Partager sur: