Misokatra ny fandraisana fisoratana anarana ho an’ny Ecole doctorale en sciences et techniques de l’ingénierie et de l’innovation (D1) EDSTII, eny anivon’ny onivesiten’Antananarivo. Natokana ho an’ny olona manana ny mari-pahaizana Master na DEA avy amin’ny sekoly ambony Vontovorona, IST, IES ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 izany. Lalam-piofanana sivy no afaka isoratana anarana: télécommunication, automatique, signal et images, chimie innovante et ingénierie de transformation…
Azo alaina eny anivon’ny biraon’ny EDSTII- ESPA Ankatso ny antontan-taratasy fisoratana anarana ary eny ihany koa no hanaterana ny fangatahana feno ho an’ireo liana. Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fandraisana ary hifarana ny 12 janoary 2024, araka ny fampitam-baovao nalefan’ny tomponandraikitry ny EDSTII.
Nanamafy izy ireo fa tsy horaisina ny antontan-taratasy tsy feno. Fito ny zavatra takina ao anatin’ny fangatahana: fangatahana atao sora-tanana alefa amin’ny talen’ny EDSTII, taratasy fisoratana anarana miaraka amin’ny sarin’ilay mpangataka. Manampy ireo ny dika mitovy voamarina momba ny diplaoma Master na DEA, taratasy avy amin’ilay tomponandraikitra mpiahy ilay olona, taratasy milaza ny mombamomba ilay mpangataka ary ny taratasy iray voasoratra manamarina ny fahavononana hisoratra anarana.
Vonjy A.




