HUJR BEFELATANANA: tanora no betsaka voan’ny Sida, hoy ny profesora Mamy Randria

Mitondra fanazavana lehiben’ny sampandraharahan’ny areti-mifindra ao amin’ny CHUJR Befelatanana fa tena misy ny aretina VIH/Sida. Mihabetsaka ny olona marary raisin’izy ireo an-tanana ankehitriny.

“Ny tanora no tena betsaka voan’ny Sida sy mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Misy koa ny olon-dehibe mihoatra ny 60 taona”, hoy ny profesora Mamy Randria. Misy dingana 4 ny fivoaran’ny aretina. Iray volana aorian’ny nidiran’ny aretina no miseho ny tranga voalohany. Mandritra ny 8 volana anefa tena milaminana ny fahasalamana. Efa mamindra aretina ilay olona. Aorian’iza vao misy tranga tsikelikely: mety manavy, misy aretina miverimberina, mihamahia, mety mivalambalana, reraka, sns.
Manomboka eo vao tena mizaka ny aretina Sida ny marary. Mihena tanteraka ny hery fiarovana. Misy aretimbe mipoitra ka manahirana ny fitsbaoana: mety ho tiberkilaozy, toxoplasmose cerebral, pneumocystose.

Azo tsaboina

Ankoatra ny firaisana ara-nofo tsy voaaro dia mifindra amin’ny ra (fitaovana maloto, tsindrona…) ny VIH/Sida. “Efa misy ny fitsaboana azo atao ankehitriny. Azo sitranina ny aretina”, hoy ny toky nomen’ny profesora Mamy Randria. “ Misy ny fanafody ohanina mandra-pahafaty. Lasa matanjaka afaka miasa sy mianatra, afaka miteraka, miaina toy ny olona rehetra ilay olona.”, hoy hatrany izy.
Maro ny toerana azo aleha amin’ny fitsaboana. Ao amin’ny sampandraharahan’ny areti-mifindra, mankany amin’ny BMH, hopitaly Itaosy, HOMI… Ny hopitaly lehibe dia misy ny fitsaboana ny olona mitondra ny VIH na ireo efa tena mararin’ny Sida mihitsy aza.
“ Mety tsy hisy tranga mihitsy anaty fotoana maro ny VIH kanefa tsy tokony ho mandrimandry. Mila manao fitiliana hananana fahatonian-tsaina. Raha misy aretina miverimberina tsy fantapantatra dia aleo manao fitiliana. Rehefa voatily fa misy Sida dia mahazo fanafody ary ho salama. Ireo bevohoka ihany koa tokony hanao fitiliana mba tsy hamindra amin’ny zanany”, hoy ny profesora namarana ny fanazavany.

Tatiana A

Partager sur: