CHUJRB : olona 3 isan-kerinandro, marary mafin’ny Sida

Tena misy ny aretina Sida ary misy ireo marary mafy vokatr’izany. Eo koa ireo mitondra ny tsimokaretina tena mamindra kanefa salama tsara ka mila mailo sy manamafy ny fitandremana ny rehetra.

Nitondra fanazavana ny dokotera Mihaja R, ao amin’ny sampandraharaha mpandray an-tanana ny aretina azo avy amin’ny mi­kraoba sy ny areti-mifindra, ao amin’ny hopitaly Joseph Raseta Befelatanana (CHUJRB), fa olona 10 hatramin’ny 15 isan-kerinandro misy tsimokaretina VIH/Sida no raisina an-tanana ao an-toerana.
2 hatramin’ny 3 isan-kerinandro kosa ireo marary mafy mila fitsaboana ka tsy maintsy miditra hopitaly noho ny are­tina mahazo azy vokatry ny Sida.
Mizara roa ireo marary tonga ao amin’ny sampandraharaha. Ao ireo efa voatily ivelan’ny hopitaly ary alefan’ireo mpitsabo hanaraka fitsaboana eny amin’ny sampandraha­raha ao an-toerana. Ao kosa ireo marary mafy tsy maintsy miditra hopitaly avy hatrany satria efa tena lalim-paka ny aretina. Ny hafa mety tsy mbola misy aretina mafy ma­hazo fa efa voaporofo kosa fa misy tsimokaretina VIH/Sida ka tsy maintsy manaraka fitsaboana sy arahi-maso akaiky miaraka amin’ny dokotera eo amin’ny sampandraharaha ny fahasalamany ary afaka mody sy mivezivezy.

Mijanona ho tsiambaratelo
Ny valin’ny fitiliana sy ny aretina dia mijanona tanteraka ho tsiambaratelon’ny mpitsabo sy ny marary ary tsy misy olona ivelany tokony hahafantatra izany, araka ny toky nomen’ny dokotera Mihaja R, mba hampandry saina ny marary sy ho fanajana azy ireo.
Manampy amin’ny fanohanana ara-tsaina ireo marary, indrindra koa ny dokotera hampazoto azy ireo amin’ny fitsaboana ary hananana faharetana hisian’ny fahombiazana. Torak’izany ny fitondran-tena rehetra tokony hotandremana rehefa mitondra ny tsimokaretina sy rehefa tena marary.
Omaly, nitondra hafatra ihany koa ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa miara-misalahy amin’ny fisorohana, fitiliana ary fitsaboana ny VIH/Sida ny herivelona rehetra manerana ny Nosy amin’ity volana desambra na­tokana hanaovana ny hetsika faobe ity.

Tatiana A

Partager sur: