Nilaza ny tao am-pony tamin’ny alalan’ny « Savaravina » ireo vahoaka eny ambany tanàna, omaly. Nitarika ity « Savaravina » ity ny filoha mpanorina ny Globo Madagascar sady mpandrindra ny tetikasa fifindra-monina miala ny tanàn-dehibe, Rafanomezantsoa Jean Nirina. Nambarany fa tsy misy ny fahagagana fa tsy maintsy miainga amin’ny herim-pon’ny tsirairay avy izany. Nahatonga solontena avy ny isaky ny faritra nandritra ity fandaharana « Savaravina » ity. « Samy resy lahatra ny vahoaka fa tsy misy afa-tsy ny sosialim-bahoaka ihany no mila vahana sy jerena akaiky. Azo atao tsara koa ny mamorona asa mifototra amin’ny filàn’ny vahoaka. Anisan’izany ny trano fonenana, ny sakafo, ny fambolena sy ny fiompiana », hoy izy. Nisy, araka izany, ny firesahana tamin’ireo vahoaka sahirana momba io resaka sosialim-bahoaka io. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina rahateo io resaka sosialim-bahoaka io, ka nahatonga ireo vahoaka ambany tanàna resy lahatra indray, raha ny nambaran’i Jean Nirina Rafanomezantsoa hatrany.
Jean Claude




