Olona efatra indray maty vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Ambatolampy, fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’i Sarobaratra, distrikan’i Tsaratanana RN33A, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Teo amin’ny 2 km mialoha amin’ny lalana mihazo an’i Tsaratanana no nitranga ny loza. Kamiaobe iray mpitatitra vokatra mampitohy an’ Ambondromamy sy Tsaratanana ity namoa-doza ity. Feno entana ilay fiarabe tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Namoy ny ainy ireo olona
efatra niaraka tamin’ilay kamiaobe. Tsy mbola fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Voalazan’ny fanadihadiana savaranonando kosa anefa fa olana ara-teknika tao amin’ity kamiaobe ity no nahatonga ny loza. Tonga teny an-toerana nanao fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ ny tobim-paritra Tsaratanana. Anisan’ireo naratra koa ny mpamily ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Nahitana fahasimbana ilay kamiaobe. Niparitaka kosa ireo entana nentiny ka ny zandary no niandry izany. Olana sedrain’ny mponina amin’iny faritra iny koa ny haratsian-dalana, ahina ho misy ifandraisany amin’izany koa izao loza izao, saingy ny valin’ny fanadihadian’ny zandary no ahafantarana ny marina rehetra momba izany.
J.C




