Lalam-piofanana « Terre, ruralité, eau » : hiarovana sy hanarenana ny tany simba

Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny lalam-piofanana “Terre, ruralité, eau”, ao amin’ny sampam-pianarana Sciences de la vie et de l’Environnement, Faculté des Sciences, Oni­versiten’i Mahajanga. Ahitana efitrano fianarana sy birao ary efitrano fivoriana miaraka amin’ny fanaka moderina. Efa nahazo fankatoavana na “habilitation” avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity lalam-piofanana ity.
Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa “Prosol GIZ”, Ale­mana, no nahavitana ny fotodrafitrasa, ho fanatsarana hatrany ny fampiarana sy ny fikarohana. Nomen’ny minisitera federaly alemà misahana ny fiaraha-miasa ara-toeka­rena sy ny fampandrosoana (BMZ) ity tetikasa ity. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tany sy ny fanarenana ny tany simba eto Madagasi­kara, ao anatin’ny hetsika mano­kana « Tontolo iray tsy misy hanoanana ». Miara-miasa akaiky amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ihany koa ny tetikasa fa mitarika azy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana .
Naneho fankasitrahana sy mampirisika hatrany ireo mpiara-miombon’antoka amin’ ny fampianarana ambony hanamafy ny fiaraha-miasa toy izao tetikasa “ProSol GIZ” izao ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Vonjy

Partager sur: