Mpanao fanafihana, mpaka an-keriny… : maty voatifitry ny zandary tao Andilamena i Thierry

Lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifanenjehana tao Andilamena, afakomaly, ny dahalo raindahiny fantatra amin’ny anarana hoe Rakoto­velo Samuël Thierry na i Thierry. Tompon’antoka tamina halatr’omby tao amina fokontany Tsaratsabo, kaominina ambanivohitr’i Tanananifololahy, ny taona 2016, ity dahalo ity. Nambaran’ny zandary fa lehiben’ny tambajotran-jiolahy mpampihorohoro efa nigadra izy saingy nanohy ny asa ratsiny hatrany rehefa nivoaka ny fonja. Nokarohina an-taonany maro izy ka ny 7 desambra 2023 izy no saron’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena tao Anta­nimenabaka. Nilaza ity dahalo ity, nandritra ny famotoran’ny zandary, fa any amin’ny malaso iray antsoina hoe Jarivo, monina ao Befania Maroa­dabo, ao anatin’ny distrikan’ An­dilamena, no misy ny basy Kalachnikov nampiasainy sy ireo ekipa tarihiny. Efa namoahana filazana fikarohana ny taona 2022 io namany io saingy tsy mbola hita hatramin’izao. Teny an-dalana hamonjy io toerana misy io basy Kala­chnikov io izy no nitsoaka tampoka tany anaty ala. Raikitra ny fifanjevoana ka voatifitry ny zandary izy. Nanamafy ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritr’Andilamena, ny kapiteny Tobiasy fa mitohy ny ezaka amin’ny fampandriana fahalemana ao Andilamena. « Mitohy ny hazalambo ireo dahalo mampihorohoro », hoy izy.

Jean Claude

Partager sur: