Tafiditra ao anatin’ny paikadim-pirenena amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ny fanavaozana ny drafitrasa ho fiatrehana ny hamehana. Nampiavaka ny drafitra napetraka miaraka amin’ny BNGRC ny fijerena mialoha ireo tandindon-doza sy ny mety ho fiantraikany eo amin’ny olona sy ny fananany. Hamaritana sahady ireo asa mialoha tokony ho tanterahina hanalefahana ny fiantraikan’ny loza na hisorohana azy. Nohavaozina ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana mahakasika ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano ho an’ny faritra Menabe. Nitarika ny fivoriana ny Prefen’i Morondava, niaraka tamin’ ny lehiben’ny distrika rehetra sy ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka. Ireo no mandrafitra ny komity mpitantana ny loza sy ny tandindony. Nanao jery todika ny asa rehetra natao nandritra ny fiatrehana ny fandalovan’ny rivodoza nifanesy sy ny tondradrano sy ny haintrano ireo mpiantsehatra. Nohavaozina ny drafitra hanatsarana ny fandraisan’andraikitra amin’ny fotoam-pahavaratra manaraka 2023-2024.
Vonjy




