Roa volana voalohany – EPP : ratsy ny fari-pahaizana vokatry ny tarazon’ny Covid-19

Hamarana ny roa volana faharoa amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny ambaratongam-pampianarana rehetra manomboka ny sabotsy 23 desambra. Hisantatra ny roa volana fahatelo ny 8 janoary 2024, aorian’ny fialantsasatry ny Krismasy. Misy hatrany ny fanadinana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra rehefa mifarana ny roa volana. Ho an’ny EPP iray ato anatin’ny Cisco Antananarivo Reni­vohitra, maharaka tsara ny fandaharam-pianarana ny kilasy rehetra. Rehefa ny 2/3 amin’ny mpianatra no mahazo ny lesona, afaka miroso amin’ny zavatra hafa ny mpampianatra. Manokana fotoana indray handraisana ireo 1/3 mila fanampiana ny mpanabe. Nandritra ny fanadinana taorian’ny roa volana voalohany, ratsy ny vokatra ary hita taratra ny tarazon’ny tsy fahatomombanana noho ny fitsaharan’ny fampianarana nandritra ny fihibohana. Anatin’ny kilasy 7ème sy 8ème ireo mpianatra ireo amin’izao fotoana izao ka voatery mianatra maraina sy hariva mihitsy ny kilasy hiatrika CEPE hanamafisana ny fari-pahaizana, hoy ny talen-tsekoly.
Momba ny latsakemboky ny Fram, 20% amin’ny ray aman-dreny 300 no tsy mbola nahaloa ny sorabola 60 000 Ar hanakaramana ny mpampianatra Fram dimy tsy mahazo tohana avy amin’ny fanjakana. Raisina hianatra ihany ireo ankizy na tsy voaefa aza ny latsakemboka tsy hampihemotra ny ezaka vita.

Vonjy

Partager sur: