Taona nitarafana ny fampiroboroboana ny fizahantany teto Madagasikara, ny taona 2019. Ankehitriny, “azo lazaina ho tratra ny tanjona. Tsy mifanalavitra ny tamin’ny taona 2019 isika izao”, hoy ny minisitry ny Fizahantany, Randrimandranto Joel. Ho tsara lavitra ny vokatra andrasana amin’ny taona ho avy ary hihoatra ny tamin’ny taona 2019 izany, noho ireo ezaka maro efa vita sy nahazoana valiny, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tao anatin’ny 11 volana, tamin’ity taona ity, nahatratra hatrany amin’ny 190 000 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara. Niakatra ity antontan’isa ity raha oharina tamin’ny taona 2022.
Tafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany tanteraka i Mdagasikara ka nametraka tanjona ny hanatrarana ny 1 tapitrisa mpizahatany amin’ny taona 2028. Ilaina, araka izany, ny hisarihana ireo mpampiasa vola anatiny sy ivelany handraharaha eto amin’ny firenena. Mila manampy efitrano hatrany amin’ny 11 000 ihany koa ireo mpiantsehatra samihafa. Tokony ho jerena ihany koa ireo karazana fandraharahana eo amin’ny fizahantany azo ampitomboina.
Fampahafantarana
Tafiditra ao anatin’ireo paikady hanatrarana ny tanjona ny fampahafantarana an’i Madagasikara any ivelany, fa indrindra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena mandefa mpizahatany eto an-toerana. Ankoatra izay, mila manokatra lanitra any Eoropa Atsinana sy Azia ary Inde ny Nosy malagasy. Sehatra goavana ihany koa ny fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Fantatra fa nahatratra hatrany amin’ny 2 tapitrisa ny mpizahatany nivezivezy manerana ny Nosy ka ilaina ny fanohizana ny ezaka efa vita.
Henintsoa H.




