Nanambara ny kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, (CAF) ny zoma lasa teo, tany Egypta, fa nahitsy ho 27 ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024) fa tsy 23 toy ny teo aloha. Zava-baovao amin’ity fifaninanana ity izany fanapahan-kevitra noraisina izany. Tsy maintsy tonga mialoha ny 3 janoary 2024, any amin’ireo tomponandraikitry ny kaonfederasiona afrikanina ny baolina kitra (CAF), ny lisitra farany ho an’ireo firenena 24 hiatrika ity Can ity. Na izany aza, 23 ihany ny anarana tafiditra ao anaty taratasin-dalao isaky ny fihaonana iray. Safidin’ny firenena tsirairay fa tsy fanerena ny fanoratana ireo mpilalao 4 ambiny ho ao anaty lisitra farany, araka ny fanamarihan’ny CAF, hatrany. Afaka manolo, ireo mpilalao maratra 24 ora mialoha ny fihaonana saingy mila ny taratasy fanamarinana avy amin’ny dokotera, ary eken’ny vaomieran’ny fitsaboana eo anivon’ny CAF izany. Tsiahivina fa hotanterahina ny 13 janoary ka hatramin’ ny 11 febroary any Côte d’Ivoire, ny Can 2024 amin’ity.
Tompondaka




