Mois : décembre 2023

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, any amin’ny kian­jan’i Barikadimy Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, hihaonan’ny Tia Kitra FC sy ny Barea milalao eto an-toerana ampian’ireo Malagasy mila ravinahitra. Anisan’ireo mpilalao ho avy amin’io fotoana io, i Tsiry Kely, Berajo, Lolody ary i Jimmy Simouri. Nivoaka ny 26 desambra lasa teo ny filaharana vonjimaika amin’ny […]

Razafindranaivo Koloina (Rakool) : resy lahatra aminy ny klioba AC Alres

Maharesy lahatra an’i Mathias Lozano, mpanazatran’ny AC Arles France Regional 1, ny fahaizan-dRazafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, efa nahatafiditra baolina iray Rakool, nandritra ny lalao roa nataony. “Mpilalao manana kalitao hafa sy tsotra i Koloina, anisan’ny tena mampiavaka azy […]

Kick – “Mondial 2024” : nofoanana ny fifaninanana saika hatrehan’i Rojo

Voatazon’ny klioba any Chine hiatrika ady matihanina mandritra ny iray taona i Rojo, Malagasy mpikatroka. Ny “Mondial 2024” no fifaninanana voalohany saika hatrehany saingy nofoanana izany. Malagasy mpikatroka, taranja kick-boxing, miatrika ady matihanina any Chine, i Rojo. Tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpikatroka tokony handray anjara amin’ny fiadiana ny ho […]

Rongony 150 kg saron’ny zandary

Nogiazan’ny zandary miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, ny rongony milanja 150 kg, tao amin’ny fokontany Ambobaka, ny alin’ny 26 desambra teo. Ny marain’ ny alarobia 27 desambra teo tamin’ny 05 ora, andian-jatovolahy nilanja rongony amin’ny gony no nifanehatra tamin’ny zandary. Nandositra avy hatrany ireo lehilahy ireo rehefa nahatazana ny zandary. […]

Tetikasa PSAE : nahazo tosika hamokarana asa ireo fikambanam-behivavy

Natolotra omaly, tetsy Andohatapenaka, ny valin’ny fifaninana ho an’ireo fikambanam-behivavy ao anatin’ny fokontany 10 hiasan’ny tetikasa tohanan’ny Développement et paix Canada, eto an-drenivohitra. Nokarakarain’ny «Programme de solidarité Andohatapenaka et Environnement» (PSAE), eo anivon’ ny CDA izany tetikasa izany. Sivy ireo fikambanam-behivavy nandray anjara. Nahazo ny loka mendrika, manodidina ny 8 […]