Mois : décembre 2023
Jiu-jitsu Breziliana: Me Faly sy Nirina no nitondra azy teto Madagasikara
Ny taona 2004 no tonga teto Madagasikara ny taranja jiu-jitsu breziliana. Ny Maitre Rabarilala Faly no nitondra azy teto ary nanaraka azy avy eo ny Maitre Ramanandraibe Nirina. Tanjon’izy ireo ny hanangana klioba iray tamin’izany fotoana izany, saingy tsy tontosa ka samy nanangana ny azy manokana izy ireo taty aoriana. […]
SOMBIM-BAOVAO
Hatao ny sabotsy 16 desambra sy ny alahady 17 desambra izao, any Antsirabe, ao amin’ny O’Carrefour, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara Blitza & Rapide, lalaon-tsaina Echec. Anio 14 desambra kosa no fara-fisoratana anarana amin’ity fifaninanana nasionaly, taona 2023, ity. Voatendrin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny Volley-ball, ho “FIVB Instructor”, Razafinjatovo Jean Honoré, […]
Kristina sy Donovan: hanofana ny vehivavy mpilalao basikety
Nofinofy efa ela ho an-dRakotobe Kristina ny hanampy ny ankizy sy tanora hisehatra eo amin’ny tontolon’ny basikety. Nisy fotoana izy nandalo teto Madagasikara ary nijery izay fomba hanatanterahiny izany nofinofiny izany. Ankehitriny, tapaka ny heviny fa hanome fiofanana ny mpilalao basikety, ho an’ny sokajy vehivavy eto Madagasikara. “Girls Unity Basketball” […]
Tompondakan’i Frantsa “Regional 1”: nanao ny lalao voalohany i Koloina
Niditra teo amin’ny lalao voalohany niarahany amin’ny klioba vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina (Rakool), ny faran’ny herinandro teo. Fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa, amin’ny “Regional 1”. Taorian’ny fahatongavany tany Frantsa, ny faramparan’ny volana novambra lasa teo, nisantatra ny fiakarany kianja niaraka amin’ny ekipan’ny Arles Football Club, ekipa vaovao hilalaovany, Razafindranaivo Koloina […]




