Na somary mbola vitsy aza, manomboka mahafantatra sy manaja ilay fiverenana eny ifotony ny Malagasy. Mipoitra etsy sy eroa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba amam-panao. Nanjary liana amin’izany resaka izany ny Malagasy. « Tsy antsika io 1 janoary io. Diso io 1 janoary io. Isika manana ny volana marsa… » ! Na izany […]
Mois : décembre 2023
“La nouvelle terre, Ilay tany vaovao”: mpahay kanto dimy no hanatontosa ny fampirantiana
Mandray anjara amin’ny fitaizana sy fanabeazana ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny haikanto sy ny ivontoerana misehatra eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina. Hotanterahina ny 6 janoary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana “La Nouvelle Terre, Ilay Tany Vaovao”. Mpahay kanto miisa dimy, samy manana […]
Matahotra ny mpikarakara hetsika: nihavitsy ny lanonan’ny faran’ny taona
Somary mangingina ! Nitombo isa ireo nisafidy hijanona sy hanatanteraka lanonam-pianakaviana ao an-trano !… Mandalo fahasahiranana ny ankamaroan’ny Malagasy !… Ireny rehetra ireny mitambatra no niteraka tahotra ho an’ny mpikarakara hetsika faran’ny taona. Sao sanatria vitsy ny ho tonga. Na ireo toerana na efitrano anisan’ny manana ny lazany amin’ny fampiantranoana lanonana faran’ny taona […]
Sarimihetsika Malagasy: hampiofana Rasolofo Hasimbola
Hanomboka ny 9 janoary 2024, ny fampiofanana mahakasika ny sarimihetsika sy ny manodidina azy. Rasolofo Hasimbola, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika, manana ny maha izy azy, no hampiofana mandritra izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), miaraka amin’ny Academie nationale des arts et de la cultures (ANAC) sy ny […]
Fikarakarana akoho mpiady: anisan’ny antoka mampandresy azy ny fahalavorarian’izany
Mila fikarakarana ny mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fotoana iadivan’ny akoholahy mpiady iray. Ankoatra ny fahaizan’ny akoho miady, anisan’ny antoka mampandresy ny akoho ihany koa ny fikarakarana tomombana tsara. Randriarimanga I. Mamy Michel, no anarany ary mpikarakara akoho ao amin’ny klioba Black List no andraikiny. Efa nolovainy avy amin’ny […]




