Mois : décembre 2023

Fampitiavana ny kolontsaina – Taona 2024: raikitra ny tetikasa « Tokantrano iray, valiha iray »

Novolavolaina tao anatin’ny taona maro ! Raikitra fa hotanterahina manomboka ny taona 2024 ny tetikasa « To­kantrano iray, valiha iray ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha « Valiha Académie » izy ity, ho fampitiavana ny kolontsaina sy zavakanto malagasy. Sedra telo lehibe no tsy maintsy nitadiavam-bahaolana, raha ny fanazavan’ny […]

Tsy mety tafarina: ny kolosaina mihitsy no mbola voazanaka

Tsy mbola mahita mangirana ihany i Madagasikara. Vao mainka aza mijotso amin’ny lafiny rehetra ny ankamaroan’ny Malagasy. Maro ireo kajikajy heverina fa mahatonga izany… Toa tsy tazana sy vitsy mpiteny ny kolosaina sy ny fanabeazana. «Manan-karena i Madagasikara » ! Maro tsy tambo isaina ny porofo manamarina izany. « Mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Raytra Belaw’Yck, eny Andohalo. Hatsikana amin’ny endriny maroloko indray no hatolotr’ity mpanakanto mpampiala voly ity, anio manomboka amin’ny 7 ora alina, eny amin’ny Haka Fy Authentic Restaurant Andohalo. Seho azy manokana, toy ny efa nahafantaran’ny maro azy no homaniny, ary maimaimpoana izany ho an’ireo mitady fialamboly hafa. Mamy Bastah – […]

Razafimandimby Fameno: anisan’ireo talenta vaon’ny hira evanjelika

Mpahay kanto anisan’ny tena vao misandratra mihitsy Razafimandimby Tiana Fa­meno Jordan Leonandro na Fameno. Zazalahy anisan’ny nambabo ny fon’ny maro nandritra ilay fifaninan-kira « La voix d’or », ny taona 2021. Efa manomboka miditra tsikelikely eo amin’ny sehatry ny matihanina i Fameno ankehitriny, ary ny hira fiderana no nofidiny iangalina sy hitondrana […]