Ankatoky ny fetin’ny faran’ny taona, misomebiseby sy mifanaretsaka ny olona ao Analakely. Nilaza ny avy amin’ny Société municipale de gestion digitale (SMGD) fa mitombo avo roa heny ny olona mifamezivezy eto Antananarivo. Toraka izany koa ireo fiara hifamoivoy. Miakatra miantsena, maka entana, ny avy any amin’ny faritra sy ireo avy […]
Mois : décembre 2023
Torolalana sy torohay : Ivontoeram-panofanana 18 no manana mpanolotsaina
Natao hamaly ireo filana momba ny torolalana sy ny torohay eo amin’ny lafiny fampianarana sy mifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny rafi-pampianarana malagasy (LOSEM) ny fanofanana ny lehiben’ny Sampandraharaha momba ny information sy ny orientation (SIO). Amin’izao fotoana izao, ivontoeram-panofanana 18 amin’ny 145 ihany no manana mpanolotsaina momba ny information sy […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho lehiben’ny mariboninahi-pirenena ny Jly Ranjeva Marcel, araka ny tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly. Efa minisitry ny fiarovana, fony fitondrana Ratsiraka ary minisitry ny Raharaham-bahiny, tamin’ny fitondrana Ravalomanana izy. Niarahaba ny fahavitan’ny fifidianana ny Japoney, tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, i Maki Kobayashi. Nizotra tamim-pilaminana izany […]
Fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimiera : Depiote 74 amin’ireo 132 no nifidy an-dRaholdina Naivo
Notanterahina omaly, teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny fifidianana ny ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena, ho an’ny faritanin’Antananarivo. Voafidy tamin’izany ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, tamin’ny isam-bato 74 amin’ireo depiote miisa 132, nifidy. Nifaninana taminy tamin’izany ny depiote voafidy tany Antanifotsy, Rafidimanana Narson. Nahazo vato miisa 58 amin’ireo solombavambahoaka 132 ny tenany […]
Tsy misy voaozona
Mijaly ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana. Mitotongana ny vola Malagasy, ny Ariary, mitaha amin’ny vola vahiny. Mitakalo 5000 Ariary latsaka kely ny euro iray. Mazava be ny dikan’izany: tsy maintsy hiakatra ny vidim-piainana ! Mizaka ny vokany ny sarambabem-bahoaka sy ny mpikarama isam-bolana izay mikarama vary masaka. […]




