Marolafy ny fotodrafitrasa vaovao manova ny endriky ny tanàna eny amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Vavolombelon’ny fikirizan’ny ankolafin-kery ny fahavitan’ireo. Notokanana omaly ny fotodrafitrasa marolafy tao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Goavana indrindra tamin’izany ny fahavitan’ny tsena lehibe mahazaka mpivarotra an’arivony. Teo koa ny tranomboky fanovozam-pahalalana, ny Lapan’ny fanorona, ny lalana vita pavé ary ny […]
Mois : décembre 2023
Depiote “Del kely”: “Ravao any ny Antenimiera fa tsy olana…”
Nitondra ny heviny, manoloana ny feo mandeha amin’ny mety handravana ny Antenimierampirenena ny depiote, Razara Pierre Fidèle na i “Del kely” tao amin’ny Miara-manonja (MM). “Ravao ny Antenimierampirenena fa tsy olana izany. Hijoro hatrany izahay ary aza matahotra izany isika depiote”, hoy izy. Notsiahiviny fa manohana hatrany ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Razanamahasoa Christine, […]
Lapa maitso Anosikely: efa tonga nivory ny loholona Razafimahefa Herimanana
Efa anisan’ireo loholona miisa 10, niatrika ny fivoriana tetsy Anosikely, omaly, Razafimahefa Herimanana. Nivory ary nanapaka ny lahadinika hatramin’ny fiafaran’ny fivoriana ara-potoana faharoa eo anivon’ny Antenimierandoholona ny tenany. Anisan’ny handraisana fanapahan-kevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana ankapobeny ho an’ny taona 2024, hotanterahina ny zoma izao. Hitohy ny talata izany handaniana […]
Minisitra Sheikh Shakhboot: “Filamatra amin’ny fahaiza- mitarika ny filoha Rajoelina”
Noraisin’ny minisitry ny Raharaham-bahin’i Emirats Arabes-Unis, ny Sheikh Shakhboot bin Nahyan AlNahyan, ny filoha Rajoelina Andry, amin’izao fihaonana an-tampony ho an’ny Cop 28, tanterahina any Dubaï izao. Niaiky ny haitariky ny filoha ity minisitra ity. Niarahaba ary nidera manokana ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tenany tamin’izany, ankoatra ny fiarahabana sy ny firariantsoa, […]
DEPIOTE SY NY governemanta : hovaliana an-tsoratra ny fanontaniana
Nisy ny taratasy avy any amin’ny Primatiora amin’ny famaliana an-tsoratra ny fanontanian’ny depiote, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Ranazamahasoa Christine, tamin’ireo depiote tonga nivory teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fifanatrehana amin’ny governemanta izay tokony hatao rahampitso. Ny dikan’izany: mety ho tonga ny governemanta fa tsy hamaly mivantana fa handray ny […]




