Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, ny andro voalohany, fifaninanana baolina kitra “Grand Tournoi Antananarivo”. Lavon’ny FC Rouge tamin’ny isa mavesatra 3 no ho 0 ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava “OPL”. Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, nanindry tanteraka ny ekipan’ny FC Rouge teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny baolina tafiditr’i Pito, […]
Mois : décembre 2023
Rugby – Amboaran’i Madagasikara: resin’ny Uscar tamin’ny moka fohy ny TFA Anatihazo
Nahavory olona maro ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara natao teny Andohatapenaka omaly. Tsy napoizin’ny rehetra teny an-toerana ny voka-dalao. Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ireo lalao ampahefa-dalana, hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Nivoaka sempotra vao afaka ny Uscar, nanoloana ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Nisaraka, Tamin’ny […]
Sombim-baovao
Norombahan’i Allemagne ny amboara maneran-tany, taranja baolina kitra, “Mondial U17 2023”. Lavon’izy ireo teo amin’ny fandakana “tirs au but” ny zandrikelin’ny Les Bleus. Marihina fa nahintsan’i Argentine tamin’ny tirs au but ihany koa i France nandritra ny famaranana ny “Mondial 2022”, natao tany Qatar. Nitsidika ny klioba Ajesaia, izay mitaiza […]
Judo-“Grand Slam” : Nihaona tamin’ny Sensei Ku Akirakai, Rasoanaivo Laura
Niatrika ny fifaninanana “Grand Slam de Tokyo” tany Japon, ny faran’ny herinandro teo, Rasoanaivo Razafy Laura. Teo amin’ny sokajy -70 kg, Senior no nifaninanany. Raha hiverenana ny vokatra, niady tamin’ilay Judokas Grika, laharana fahefatra maneran-tany, ity Malagasy mpikatroka ity. Noho ny traikefa efa ananan’ny mpifanandrina taminy, resy Rasoanaivo Laura. Nambarany […]
Fiba 3×3-Africa Cup : laharana fahatelo ny Ankoay lahy sy vavy
Nifarana omaly alahady, tany Le Caire, Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety lalaovin’olona 3. Laharana fahatelo avokoa ny Ankoay lahy sy vavy. Medaly alimo avokoa no norombahan’izy ireo, na ny teo amin’ny sokajy vehivavy izany, na teo amin’ny sokajy lehilahy. Samy niatrika ny lalao fiadian-toerana fahatelo izy ireo. […]




