Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpandeha noho ny fananararaotana tafahoatra ataon’ny mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa manokana, tetsy amin’ny fasan’ny karana, ny faran’ny herinandro teo. Mananika ny 60 000 Ar hatramin’ny 80 000 Ariary ny saran-dalàna takina amin’ireo mpandeha. Manodidina ny 37 000 Ar anefa izany teo aloha. Efa lafo avokoa ny toerana ho an’ireo […]
Mois : décembre 2023
Krismasy: olona 65 voasambotry ny polisy
Tsy afa-misaraka amin’ny fety toy izao hatrany ny resaka tsy fandriampahalemana. Manoloana izany, manao izay ho afany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana mba hahafahan’ny vahoaka manao fety am-pilaminana lavitry ny tebiteby amin’ny asan-jiolahy. Nivoaka tao anatin’ny tatitra nomen’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fetin’ny Krismasy 2023 fa 2 000 eo […]
Itasy: fifanomezan-tanana ho an’ny fandriampahalemana
Nahazo moto telo avy amin’ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, ireo miaramila miasa ao amin’ny faritra. Ho fiaraha-mientana amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ao an-toerana no anton’izao fanomezana moto hiadiana amin’ny asan-dahalo izao, raha ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity. Hampiasain’ireo miaramila manefa iraka eny an-kianja ireto […]
Kitra – Fifaninanam-pirenena 2024: hanatevina ny «Pro league» ny KFCA sy ny FC Vakina
Ao anatin’ny fanomanana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra D1, ny CFEM, amin’izao fotoana izao. Ho anisan’ireo hanatevina ireo ekipa hiady izany anaram-boninahitra izany ny KFCA Diana sy ny FC Vakinankaratra. Nambaran-dRakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de foot-ball élite de Madagascar, ny zoma 22 desambra lasa teo, […]
Sombim-baovao
Nifindra ao amin’ny klioban’ny Inter Miami FC, any Etats-Unis, i Luis Suarez, Orogoay mpilalao baolina kitra. Araka izany, miisa efatra izy ireo no mpilalaon’ny FC Barcelone, klioba espaniola nifindra ao amin’ity ekipa amerikanina ity. Hiverina hiaraka hilalao indray izany i Messi, i Suarez, i Sergio Busquet ary i Jordi Alba. […]




