Hotanterahina manomboka anio, any Morondava, ny fifaninanana baolina kitra an-torapasika, beach soccer, ho an’ny seksiona Morondava. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary izay ekipa voahosotra ho tompondaka amin’izany. Miisa valo ireo ekipa mpandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa nozaraina vondrona roa “A sy B” izy ireo. Raha ho an’ny sokajy […]
Mois : décembre 2023
SOMBIM-BAOVAO
Nanatanteraka fiofanana ho an’ny mpitsara eo anivon’ny seksiona Mahajanga I, ny Coach Lobo sy i Yvon Avry. Miisa 28 mirahalahy izy ireo no nisitraka ity fampiofanana ity. Tanjona ny hampiharana avy hatrany ny fiofanana natao eny anivon’ny klioba. Marihina fa tafiditra amin’ny fanatsarana ny baolina kitra any amin’io faritra io […]
Fifaninana any Thaïlande: nahazo “record national” i Tendry
Mivoatra hatrany ny Malagasy mpilomano, Tendrinavalona Idealy, amin’ny fiofanana izay ataony any Thaïlande, eo amin’ny taranja lomano. Vao avy niatrika fifaninanana iray izy tamin’ity herinandro ity ary nahazo “record national” sy nahavita nanatsara ny zava-bitany. Teo amin’ny 200 m Dos no nahavitany izany, tamin’ny fe-potoana 2’25” 47 raha toa ka […]
Randriamanampisoa Alfred : nanatrika ny fihaonana antampon’ny Fifa 2023
Nihaona fanindroany omaly, tany Arabia Saodita, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randrimanampisoa Alfred. Notanterahina omaly, tany Arabia Saodita, ny fihaonamben’ny Fifa, “Sommet du Foot-ball de la Fifa 2023”. Tonga nanatrika izany, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny […]
Fiahiana sosialy 2024-2030 : hiompana amin’ny maha olona ny paikady nasionaly
Tapitra amin’ity taona ity ny dingana voalohany tamin’ny paikady nasionalin’ny fiahiana sosialy notanterahin’ny minisiteran’ny Mponina izay naharitra 5 taona. Nanao tombana ny paikady niaraka tamin’ireo minisitera mpiantsehatra sy ny mpiara-miombon’antoka ny ekipa tamin’ity herinandro ity, tetsy Antaninarenina. Nitarika izany ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy, Rivomanana Ghisbert. Hisy atrikasa hampahafantarana ny […]




